Sport

Rugby à XV Mitohy ireo lalaon’Analamanga


  • Zoma 01 Septambra 2017

Mbola mitohy avokoa ireo lalao rugby eto Analamanga na dia mitoetra hatrany aza ny disadisa ara-pitantanana.

  Ho an-dry zareo eo anivon’ny « Comité Technique Fédéral » miaraka amin’ny Malagasy Rugby dia miverina indray ireo lalao rejionaly sy lalao federaly sokajy D-1 tontosaina eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka rehefa nianoka tamin’ny fikarakarana Rugby à 7 ry zareo tamin’ny heriny teo. Lalao rejionaly D-1 Elite 2 : 8 :00-FTBA # XV Black ; 10 :00-FTA/MBA # Balami ; 12 :00-AFA # ASA. Lalao federaly D-1 Elite 1 : 1:30-JSTA # VTMA ; 3:00-Ikopa # XV FA.

Ho an’ny Analamanga Rugby kosa dia eny amin’ny kianjan’ny Malacam Antanimena toy ny mahazatra no hiseho ireo lalao  ka hisy indray toy ny mahazatra ny lalaon’ny D-1 Elite 1, seksiona Antananarivo-Renivohitra hanomboka amin’ny 7:30-FTA # FTV XV ; 9:00-Hiza 17 # ATI. Avy eo dia ny lalao D-1 Top 9 : 11:00-TFA # Matadore A ; 12:30-TAM # SOE ; 3:00-TFMA # XV Family.  

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT