Sport

Rugby à XV Miala any indray ny CT Tanà-Ville


  • Talata 05 Septambra 2017

Tsy mbola miravona ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny rugby Malagasy.

 

 Fantatra ankehitriny, araka ny  taratasy « Attestation de fonction » navoakan’ny filohan’ny Malagasy Rugby tamin’ny 21 aogositra 2017 teo fa notendrena hitantana ny andraikitry ny « Comité Technique  Section rugby Tanà-Ville » ny olona 6 mirahalahy tarihan-dRakotondrafara Jean Herinaina na i Naina Be mpitarika ny fikambanan’ny rugby eny amin’ny faritra iva izay nanambara fa tsy miditra amin’ny olana misy  eo amin’ity tontolo ity fa vonona kosa hampandroso ny lalao rugby eny ifotony amin’ny ankapobeny. Tsy niandry ela fa ny sabotsy 2 aogositra teo teny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka dia nisy sahady ireo lalao samihafa nanokafan’ity kaomisiona ity ny fiadiana ny ho tompondaka karakarainy.

D-2 : TFA 19 – 00 XV Cousin ; COA 6 – 11  Zazanavela ;  TMH 9 – 3 Sarc/Fita 2 : IHS 12 – 3 FTN Nanouah. Nisy koa ireo lalao notontosaina ny alahady 3 septambra 2017 ary hitohy isaky ny sabotsy sy alahady manaraka ny lalao karakarain-dry zareo.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT