Sport

Rugby à XV – Kianjan’i Makis Montsan’ny Ftm sy Savony ry Ikopa sy Vtma


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Nitohy indray ireo lalao karakarain’ny ny “Comité Technique Fédéral ” misahana ny fifaninana eto Analamanga tontosaina eny amin’ny kianjan’i Makis eny Andohatapenaka taorian’ireny fandrarana ny hetsika ara-panatanjahantena noho ny valan’aretina pesta ireny.

 

 Ny sabotsy 18 sy ny alahady 19 novambra indray ary no nisy lalao narahina tamin’izany ka omaly alahady 19 novambra teo amin’ny D-1 Elite 1 dia nomontsanin’ny Ftm Manjakaray sy ny Stm Savony ny ekipan’Ikopa sy Vtma Antsalova ka tamin’ny 42 noho 06 no nisarahan’ny fihaonana voalohany ary 47 noho 09 kosa ny fihaonana faharoa. Nambaran’Atoa Randrianarisoa Rija filohan’ity ny “Comité Technique Fédéral ” ity fa andro roa sisa no ho tanterahina dia hiditra amin’ny dingana famaranana ity fifaninanana ity.

 

Voka-dalao D-1 Elite 2 azo omaly teny Andohatapenaka ihany :

Asa  18  -  03  Lion  ;  Jca 18  –  14  Mang’Art  ;  XV Black  10  –  33  Scb.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT