Sport

Rugby à XV Hitohy ireo lalao eto Analamanga


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Hitohy hatrany ireo lalao rugby à XV tontosaina eto Analamanga ankehitriny ka ho an-dry zareo eo anivon’ny « Commission Technique Fédérale »

miaraka amin’ny Malagasy Rugby dia « tournoi » Rugby à 7 hifantenana an’ireo makis sénior hisolotena antsika amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Ouganda amin’ny 5-6 oktobra 2017 izao no karakarain-dry zareo eny amin’ny kianja Makis eny Andohatapenaka amin’ny alahady 27 aogositra izao. Mizara « zône » 5 ireo ekipan’ny « élite régionale » miampy an’ireo « élite fédérale » 11 milalao eny an-toerana.

Ho an’ny Analamanga Rugby kosa dia hotohizan-dry zareo ny fiadiana ny ho tompondakany 2017 ka hisy ny lalaon’ny « élite II » amin’ny seksiona Antananarivo Renivohita amin’ny 7:30-Usa # Cfa ary lalao 4 ao amin’ny « élite I ».

 9:30-Tfa # XV Family ; 11:00-Irc # Uasc ;

12:30-Soe # Matadore A ; 14:00-3Fb # Tam. Nomarihan’ity ligy ity fa

hotolorana “prime” 4 tapitrisa ariary izay ekipa tafavoaka ho

tompondakany ary hizarana akanjo filalaovana sy baolina rugby

tsirairay avy ireo ekipa mandray anjara rehetra ary hotolorana iray

hetsy ariary isaky ny milalao ireo ekipa ireo.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT