Sport

Rugby à XV Hisy lalao rahampitso 01 novambra etsy Malacam


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Nambaran’ny fikambanana FM2TR « Fikambanan’ny mpanabe sy ny Tena Tia Rugby » notarihan’ny filohany Randrianarisoa Rija tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena,

 

 

omaly alarobia 30 oktobra, fa noho ny fiaraha-misan’izy ireo amin’ny Malagasy Rugby tantanan-dRakotomalala Marcel filohany dia hisokatra handray lalao rugby à XV indray ny kianjan’i Malacam etsy Antanimena rahampitso zoma 01 novambra 2019 ary dia hisokatra hanampiana ny kianja Makis Andohatapenaka indray ity kianja ity manomboka eto noho ity farany miasa irery eo amin’ny fanatontosana lalao rugby ka manjary mihasimba tanteraka. Lalao 5 be izao araka izany no harahina misesy amin’io rahampitso zoma io :

Ankatoky ny famaranana FM2TR :

7:00- Ftva Anosibe # XV Cm Charbon  ;  Tmaa Ankorondrano # Rosa Club Antohamadinika

Fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Federaly 2 :

Matadorea Anosipatrana # Ftat Anosibe

Gold Top 20-2019 Federaly 1 :

13:00-Ftm Manjakaray # Usa Ankadifotsy  ;  Cosfa Miaramila # Scb Besarety

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT