Sport

Rugby à XV hetsika 1 mey XV Centre sy ny Scb ary ny Cnaps rugby no nandroaka ny omby 3


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Lalao famaranana 3 nokarakarain’ny FTMR tarihan’i Nainabe na Rakotondrafara Jean Heriniaina ka niadiana omby avy no notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka tamin’ny talata 01 mey 2018.

 

 Nandroaka omby tsirairay avy tamin’izany ny XV Centre Ampefiloha nandresy ny Soma Sud 16-12, ny Scb Besarety nandresy ny XV Fa 9-3 ary ny Cnaps Rugby nandresy ambony latabatra ny Fta Andavamamba nikasi-tanana mpitsara 10-3. Nisy ihany koa fanolorana fanamiana tsirairay avy an’ireo fileovana nanao famaranana ka ny an’ny XV Centre sy Soma Sud tonga dia nisalorana noho ny lokon’akanjon’izy ireo tena nitovy ka tsy maintsy nosoloina.

Voka-dalao hafa teny Andohatapenaka ihany :

XV Barrage-Aigle Noire (12-3) ; XV Soldat-Ftam (8-11) ; Rosa-Ftfa (9-3).

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT