Sport

Rugby à XV GOLD TOP 8 Nahemotra rahampitso ny andro faharoa


  • Talata 09 Janoary 2018

Noho ny fisian’ilay andro ratsy “Cyclone Ava” nandalo teto amin’ny nosy izay nitondra rivotra sy orana betsaka tsy an-kijanona teto

 

Antananarivo ihany koa dia nofoanan’ny Malagasy Rugby tamin’ny ora farany ny andro faha-2 an’ilay fifaninanana rugby à XV “Gold Top 8” saika notanterahina tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny alahady 07 janoary tontolo andro. Nahemotra ho rahampitso alarobia 10 janoary eny Andohatapenaka ihany ireo lalao rehetra efa voatondron’ny fandaharam-potoana.

 

09:00-Stm # Uirc

11:00-Usa # 3F5

13:00-Cosfa # Jsta

15:00-Ftm # Usi

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT