Sport

Rugby à ,XV Ftm manjakaray Vonona hanala vela amin’i Cosfa rugby, hoy i Ashok Nuankomar


  • Zoma 10 Janoary 2020

Ny Cosfa Rugby sy ny Ftm Manjakaray no hikatroka eo amin’ny lalao manasa-dalana anankiray amin’ny fifaninanana rugby fiadiana ny ho

 

tompondakan’i Madagasikara 2019 na ny Gold Top 20-2019 amin’ny faha-19 janoary ho avy izao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Tena karazana famaranana kely mialoha ny fotoana izy ity, hoy Atoa Ashok Nuankomar filohan’ny Ftm Manjakaray ankehitriny raha tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy omaly. Tena vonona hanala vela amin’ny Cosfa Miaramila izahay amin’ny fifaninanana Gold Rugby ity ary vonona ny hamerina ny amboara eo am-pelatananay indray izay norombahiny tamin’ny taon-dasa. Hahita lalao tokoa ny mpijery baolina eny Andohatapenaka, hoy izy, na dia norarianay aza ny hanaovana ny lalao tetsy Mahamasina tamin’ny ankapobeny izay kianja tena manavanana anay tokoa. Nomarihany fa na tsy fantatra akory aza ny daty hanatanterahana an’ity lalao manasa-dalana ity dia efa nanoman-tena fatratra ny ekipa tarihany efa hatrany amin’ny 5 janoary 2020 tany. Salama tsara avokoa ary tena vonon-kandresy tokoa ireo mpilalao rehetra ao aminay ankehitriny,  hoy izy, ary vonona tsara hanaraka ny toromarika homen’i Son mpanazatra. Amin’ny faha-19 janoary izany mahita azy, hoy izy, namarana ny teniny fa tongava hankafy lalao rugby.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT