Sport

Rugby à 7 teny Andohatapenaka Hisafidianana ireo mpilalao ho any Ouganda


  • Talata 29 Aogositra 2017

Nanatontosa “Tournoi Rugby à 7” teny amin’ny kianjan’ny Makis teny Andohatapenaka ny sabotsy 26 sy alahady 27 aogositra teo ny Malagasy Rugby mba hahazoana mifantina ireo mpilalao ho any Ouganda hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taona 2017 eo amin’ity taranja ity.

 

 60 ireo mpilalao hantsoina amin’ity herinandro hitsahina ity hiatrika ny fampivondronana miaraka ka hifantenana mpilalao 16 raikitra handeha any Ouganda. Raha tonga dia nalaina tamin’ny Makis zokiny fotsiny teo aloha ny ekipana Rugby à 7 misolontena antsika hiatrika ny lalao iraisam-pirenena, hoy ny fanazavana azo teny Andohatapenaka, dia niniana nanaovana “Tournoi” ny fifantenana azy ireo tamin’ity indray maka ity ka ireo fileovana 11 D-1 federaly miatrika ny ho tompondakan’Analamanga tarihan’ny “Comité Technique Fédérale” sy ekipa voafantina 5 notsongaina avy amin’ny D-1 rezionaly 20 eny Andohatapenaka no nikatroka tamin’ireo 2 andro ireo.

 

Vokatra azo 

Finale Coupe : Ftm 26 – 5 Stm

Filnale Plate : Cofa 35 – 0 XV Fa

Finale bowl : Zone 3 26 – 14 Vtma                          

Fiadin-toerana : Jsta 31 – 19 Zone 1 ; Usi 36 – 7 Zône 2 ; Usa 16 -16 Uirc

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT