Sport

Rugby – 3FB Notokanana ny tsangambato faha-45 taona


  • Alatsinainy 01 Martsa 2010

Fotoam-pivavahana teny amin’ny Aumônerie protestanta sy fitokanana tsangambato tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha no nisantaran’ny 3FB (Firaisana-Fanatanjahantena-Fahasalamam-bahoaka) sampana rugby ny faha-45 nisiany ny sabotsy teo (27 febroary 1965 - 27 febroary 2010).

 

Tonga nanatrika ny fotoana teny an-toerana ny solontena avy amin’ny minisitera mpiahy ity fileovana ity ary tazana nanome voninahitra teny koa ireo mpitantana rehetra ao amin’ny federasiona. Mbola eo an-dalam-panamboarana kosa ny tsangambato fahatsiarovana ilay mpanazatra, Imboarimanana Eugene (L’Avant-bras). Eo an-dalam-panomanana koa ny fandrantoan’ny 3FB lalao any La Réunion, hifamerina amin’ny St Pierre ary amin’ny volana jolay dia hisy fampirantiana hatao etsy amin’ny Rarihasina Analakely. 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT