Sport

Rugby 35 taona 3FAI andro faha-2 Fbm sy Tfa ary Ftm no tafita amin’ny famaranana


  • Talata 22 Mey 2018

Vita tetsy Mahamasina tamin’ny alahady 20 mey lasa teo ireo lalao 1/2-dalana faharoa amin’ny fifaninanana fankalazan’ny fileovana 3Fai Ambalavao Isotry ny faha-35 taonany.

Tafita hiatrika ny lalao famaranana hifandona amin’ny Ftat D-1 elite II ny Fbm Bemasoandro Itaosy rehefa nandresy ny Hiza 17 tamin’ny 13-5. Eo amin’ny D-1 elite I boaty kosa dia tafita hifandona amin’ny Uscar ny Tfa Anatihazo nandavo an’ny Usa Ankadifotsy 33-30 ary eo amin’ny D-1 elite I boaty dia ny Ftm nandresy ny Tam 42-20 no hifampitana amin’ny Tfma Ankasina. Tontosa soa aman-tsara izay ireo 1/2-dalana rehetra amin’ity fifaninanana ity, hoy i Me Alain iray amin’ireo mpitantana sady vadin’ny filohan’ny 3Fai am-perinasa ka miandry ny 3 jona hanatanterahana an’ireo lalao famaranana isika sisa. Hitantsika teo, hoy izy, fa afaka mifandrina tsara ireo ekipa milalao eny Andohatapenaka sy milalao etsy Antanimena ary ahitana haavo teknika ambony ka ny hafatra hampitaina ny rehetra dia ny hoe : aoka mba hapetraka amin’izay ny disadisa misy eo amin’ity sehatry ny taranja rugby à XV  eto Madagasikara ity mba ahafahana mianoka amin’ny fampandrosoana ny tontolo amin’izay.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT