Sport

Rtoa Atallah Beatrice Mila havaozina ifotony ny rafitry ny baolina kitra Malagasy


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Ny fijerena ny fanomanan’ny Barea ny CAN 2019 no vaindohan-draharaha imasoan’ny “Comité de normalisation” ny baolina kitra Malagasy ankehitriny, hoy Rtoa Atallah Beatrice filohany tao

 

anatin’ny fanatrehana ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ny Kaiser Chiefs teny Mahamasina ny sabotsy 22 desambra 2018  lasa teo. Dia efa hisaorana etoana ny CAF amin’ny fahavononany hanampy an’ity ekipam-pirenena Malagasy ity amin’ny fiatrehana ny fifaninanana.  Hiala sasatra kely ohatra ny olona rehetra izahay ao anatin’izao fetin’ny faran’ny taona izao, hoy izy. Mikasika ny resaka fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny FMF dia efa nambaran’ny “Comité de normalisation” tarihako fa ho “depart à zero” ny mikasika an’io resaka io ary tsy maintsy hisy fivoriambe hatao hamaritana ny zava-drehetra. Tsy maintsy hojerena manokana indray ny amin’ireo ligim-paritry ny baolina kitra 3 nitoeran’ny olana tamin’ny fifidianana teo aloha sy ny ligim-paritry ny baolina kitra iray hafa izay nisy nametraka fitoriana vao tsy ela akory izay. Ny hirariana anefa, hoy Rtoa Atallah Beatrice dia ny tsy hiverenana intsony amin’ireo disadisa nisy ireo mba hahafahana miroso haingana amin’ny fanarenana ny baolina kitra Malagasy izay heveriko manokana fa mila havaozin’ny mpitantanana ho  avy ifotony mihitsy ny rafitra mitantana azy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT