Royale Union Saint-Gilloise

Manana olana amin’i Loïc Lapoussin…


  • Talata 09 Jolay 2024

Araka ny fanambarana izay nataon'i Stéphane Lecaillon, mpanao gazety Belza,

dia miha mafana ny toe-draharaha eo amin'i Loïc Lapoussin sy ny Royale Union Saint-Gilloise. Namafisiny tamin'izany fa tsy tian'izy ireo ny fitondran-tenan'ity mpilalao malagasy ity ary nahatonga azy tsy ho isan'ireo mpilalao nihazo an'i Pays-Bas hiatrika ny «stage» na fanomanana ny taom-pilalaovana vaovao ihany koa. Araka izany, dia nanao fanoman-tena miaraka amin'ny Ekipa B ity mpilalao malagasy ity farany teo ary maniry ny hialany ihany koa ny mpitantana ny Royale Union Saint-Gilloise na dia mbola amin'ny volana jona 2025 ary vao ho tapitra tanteraka ny fifanarahany miaraka amin'ny kliobany. Mety hitady klioba vaovao izany ity mpilalao baolina kitra malagasy izay azo lazaina ho tena andrin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ity ao afovoanin’ny kianja ao amin'izao fotoam-pifindrana izao ary tsy laharam-pahamehana ho an'i Sébastien Pocognoli mpanazatra ihany koa ny fijanonany, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany. Taorian’ny olan’i Marco Ilaimaharitra tamin’ny Charleroi Sporting Club, izay klioba divizionina voalohany belza nisy ity farany, izany dia anjaran’i Loïc Lapoussin indray no misedra izay olana amin’ny resaka fanilihana an-kolaka izay. Loharanom-baovao hafa kosa omaly no nanambara fa efa any Alemanina ankehitriny i Loïc Lapoussin noho ny tsy fahazakany intsony izao disadisa izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT