Sport

Roro Rakotondraibe "Tonga aty Ambatonapoaka ny omby"


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Resy fa nahafaly ahy manokana ny endri-dalao nasehon'ny Barea teo amin'ny fidirana faharoa Raha nihaona tamin'ny Congo".

Izany no resaka nifanaovanay tamin'ny mpanazatra Roro Rakotondrabe Randrianjafintseheno. Nety hoy izy raha ny rindran-dalao nasehon'ny Malagasy teo amin'ny olon-droa na telo miaraka fa teo amin'ny fiarovana no somary sahirana kely rehefa miakatra ny sisiny roa an'ireo Kongole. Hatreto aloha hoy ihany ity mpanafika fahiny tao amin'ny FC BFV sy Scorpions ity dia mahavelom-bolo ny ho avy. Ity tsapa farany amin'ny alatsinainy Izany hihainana amin'ny Niger ity no heverinna hanitsiana ny lesoka, hoy Roro izay nanamarika fa nisaraka ady sahala samy tsy nitoko iza sy ny Sonegaly. Raha ny risimpon'ireto Barea ireto mantsy dia tena misy satria fantany fa ankoatry ny fiarovana ny voninahim-pirenena dia mba miady ho an'ny tenany koa izy ireo satria tsy maintsy ho tonga marobe any Algérie koe ireo mpitsirika mpilalao ho matihanina.. Sary mazava no nasehon'i Roro hoe ho avy any Ambatonapoaka koa ireo mpividy omby malaza .Hanao ny aina tsy ho zavatra noho izany ireto zandrikely ireo satria mbola eo dia eo koa ny faniriana ho lasa Barea A. Notsipihany ihany koa fa zava-dehibe ny fanajana ny fitsipika sy ny fahaizana miara-miaina amin’ny ekipa.

Nangonin'i Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT