Roro Rakotondrabe

'Tsy afa-nanoatra aho fa izay teo no nampiadiana"


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Roro Rakotondrabe araka ny resaka nifanaovany tamin'ny gazety Tia Tanindrazana. Araho ary.
Tia Tanindrazana : Mampatahotra ny ho avin'ny Barea raha ireny lalao nihaonana tamin'ny Rwanda ireny. Inona no tena antony ?
Roro : "Mahitsy be aho miteny aminao fa tena tsy afaka nanoatra aho fa ireny mpilalao ireny no teo dia ireny no nampiadiana. Sahiko anefa ny milaza fa betsaka amin'ireny no tsy mijoro ny volana jona izao amin'ny fihaonana amin'i Mali sy Comores.
" Tia Tanindrazana : Mbola azo antenaina izany fa ho tonga ry Francis Coquelin sy Kenny Lala raha tsy hiteny afatsy ireo roalahy ireo izay milalao ao amin'ny Villarreal sy Stade Brestois ?
Roro : " Izaho manokana no noresaka tamin'ireo izay vao naniraka an'i Bolida hanamafy ny resaka ary dia nanaiky ireo fa ho avy fa tsy fantatro indray izay mety fiovab-javatra.Ny azoko tenenina dieny izao dia hiova endrika ny Barea raha manana an'ireo fotsiny aloha isika."
Tia Tanindrazana : Ary manao ahoana toa tsy tonga i Thomas Fontaine sy Fabien Boyer. Sao dia misy resaka hafahafa indray ?
Roro : " Tsy tonga i Fontaine satria tsy tafiditra ao anatin'ny fenêtre FIFA ny klioba hilalaovany satria mbola National ary tsy afaka noho izany izy.Raha ny momba an'i Boyer indray dia ho avy izy fa tamin'ity izy no tsy afaka fa vao tera-bao.
" Tia Tanindrazana : Misy miresaka koa i Jérémy Ebobisse izay milalao any San Jose Earthquakes any Etazonia satria ny lesoka aloha hatreto dia ny famonoana baolina. Ahoana ny amin'izay.
Roro : "Efa niresaka koa izahay fa tsy nanindroa tsy nanitelo izany fa tsy namaly intsony izy.Tsy maintsy miantehitra amin'ny Arnaud sy Lapoussin ihany aloha izany fa mbola manantena an'i Njiva hiverina koa anefa aho. Ny iray amin'ireo no mety misolo an'i El Hadari izay mbola tsy tena ampy vovokaina, asa na noho izy mbola kely."
Tia Tanindrazana : Misy mpilalao hafa ve ? Roro: Izaho manokana aloha raha hifandona amin'ny Afrikanina dia mila an'i Louis Demoléon ao ampovoany ao na dia hita mbola misy lesoka kely ihany aza. Fa ny hitoeran'ny fanantenana dia i Nomena izay milalao amin'ny klioban'ny Aubagne izay mety hiakatra Ligue 2 amin'ny taom-pilalaovana ho avy io. Tena mahay ny toerana rehetra any aoriana mantsy ity zandrikely ity ary izay no tena tsy ampy amin'ny Barea. Fa eritrereto ange izany hoe Kendji Van Boto sy Kenny Lala no sisiny roa ary Nomena sy Fontaine no eo ampovoany ary Coquelin sy Marco Ilaimaritra no rindrina voalohany ary mitazona ny toerana 10 i Rayan Raveloson dia ho hitanao eo fa avelao ho avy izay ho avy.
Nangonin'i Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT