Sport

Roro Rakotondrabe "Miankina amin'ny teboka maromaro ny handraisako na tsia ny Barea A"


  • Zoma 31 Martsa 2023

Ambeti-tenin'ny mpitia kitra ny anaran'i Roro Rakotondrabe taorian'iny fametraha-pialanan'i Nicolas Dupuis iny.

Mazava ho azy fa betsaka ireo maniry azy haka ny toerana saingy hatreto aloha dia toa mbola tsy mivonona amin'izany ny lehilahy. Jereo ange e !
Tia Tanindrazana: Betsaka ny maniry anao hitondra indray ny Barea fa ahoana tokoa moa ?
Roro Rakotondrabe : " Tena misaotra an'ireo olona manome fahatokisana ny tenako saingy tsy azo raisina mora toa izany ny raharaha satria hatramin'ny olona kely indrindra ka hatrany amin'ny Filoha Andry Rajoelina dia tena tia sy manao am-po ity baolina kitra ity. Na izany aza dia tsoriko fa miankina amin'ny teboka maro ny fandraisako na tsia izany andraikitra goavana izany.
Tia Tanindrazana: Mba azonao lazainy ve izany?
R.R. : Voalohany aloha mila fantatra ny tanjona ahatongavana satria raha ny eny an-kianja amin'izao dia tsy misy irika ny ahatafita antsika any amin'ny CAN any Cameroun amin'ny 2024. Azo atao kosa anefa ny resy am-boninahitra ka miezaka mandresy ny Ghana eto Mahamasina na ny mandresy ny Angola any antaniny toy ny nanaovan'ny SOE azy ireo tany Luanda."
Tia Tanindrazana: Ka manome toky ve ianao amin'ireo lalao roa ireo ?
R.R. : " Ny toky izany aloha sarotra homena raha tsy fantatra ny hoentimanana Aza adino fa na tsy tafita aza isika mila maka isa mba tsy hivarina kilasy hanao sava ranonando indray. Ary eo indrindra isika satria tsara fantarina aty amboalohany hoe hatraiza ny fahalalahana raha hanavao mba hijerena mpilalao Malagasy tena avo lenta afaka hifampitana aminn'ireo Afrikanina izay milalao any amin'ny klioba lehibe .Teo izao vao i Kondogbia irery izay irakiraky ny Atlético Madrid dia efa sahirana isika. Miankina betsaka amin'ny fanomanana koa anefa satria aza adino fa ambolana maromaro ny nanomanana iny CHAN iny eny fa na dia nananosarotra aza ny fampivondronana Mino aho anefa fa rehefa mitambatra ny hery rehetra dia ho lasa ity baolina kitra malagasy ity.
Légende : Mahitsy ary mazava ny resaky ny Coach Rôrô : « raha ny eny an-kianja amin'izao dia tsy misy irika ny ahatafita antsika any amin'ny CAN »
Nangonin'i Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT