Sport

Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Ary manaiky izy fa tsy tokony hisy ny tsindry satria efa fantatra mialoha fa tsy tafita amin'ny CAN 2023 intsony ny Barea dia nilaza kosa izy fa mbola misy ny tanjona haka isa mba tsy voatery handalo sava-ranonando indray Madagasikara. Izay no antony hitenenany hoe "tsy hanao tandrevaka izy fa izay Malagasy ao amin'ny heriny no ho raisiko". Midika izany fa tsy misy tombo sy ala fa ireo tena mafy no handrafitra ny Barea izay handray an’i Ghana eo Mahamasina. Mbola niresaka an-telefaonina tamin'i Marco Ilaimaharitra moa izy nandritry ny fihaonanay saingy tsy nahasakana azy izany hiteny hoe faly izy mahita mpilalao vonon-kiady toa an'i Feno an'ny Ajesaia izay nampitondra faisana ny CFFA. Olona ohatra ireny no ilaina hoy ihany izy ary tsy fanao no maka mpilalao iray noho ny anarany sy ny lazany fa izay tena vonona ary mety amin'ny paikady apetraka no mijoro. Mikasika an’i Ghana indray dia nilaza i Roro fa isan'ny ekipa sangany eto Afrika izy sady manana mpilalao avo lenta toa ny zanaka roalahy an'i Abedi Pelé dia André sy Jordan Ayew izany. Tsy midika anefa izany fa isika mba manana an'i Rayan Raveloson izay tena mamiratra. Tsy olona iray anefa no atao hoe ekipa fa mila fahaizana miaraka izany ary izay no antony hiantsona an'i Marco (Ilaimaharitra) na koa Fabien Boyer nefa mbola teboka ity fatany ity satria dia hitako ao anatin'ny lisitry ny La Réunion hanao Jeux des Iles. Mino koa aho fa ho avy i Loic Lapoussin izay vao niady ny amboaran'i Europe teo ny ekipany dia ny Union Saint Gilloise izany .Asa aloha fa mbola eo am-padrafetana ny lisitra alefa any amin'ny CAF izao ka tsy maintsy maka ny hevitry ny mpilalao rehetra.
Nangonin'i Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT