Sport

Romain Métanire Nisaraka tamin’ny Minnesota United FC


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Minnesota United FC, klioba divizionina voalohan’ny baolina kitra ao Etazonia, izay tsy hanome azy ireo ny fifanarahana intsony ity klioba ity.

Anisan'izany tsy nomena fanavaozana fifanarahana izany intsony ny vodilahara malagasy, Romain Métanire, noho ny toe-pahasalamany sy ny ratra mahazo azy matetika nandritr’ireo taom-pilalaovana. Tonga avy any Reims, klioba divizionina faharoa frantsay izay nampiany ho an'ny anaram-boninahitra sy ny fidirana amin'ny diviziona voalohany tamin'ny taona 2017-2018, I Romain no avy eo nanatevin-daharana ny Loons na ity klioba amerikanina voalaza teo ity ny janoary 2019. Fifanarahana 2 taona miaraka amin'ny taona fanampiny azo atao moa no nandraisana azy tamin’izay fotoana izay. Nahatratra ny fara-tampony i Métanire nandritry ny taom-pilalaovan’ny Major league soccer na MLS 2019, izay fifaninanana goavana indrindra ao Etazonia eo amin’ny taranja baolina kitra, ka nahatafiditra azy tao amin'ny ekipa “MLS All Star” niaraka tamin'ireo kalazalahy toa an’ilay portogey, Luis Carlos Almeida na Nani sy ilay lohalaharana anglisy, Wayne Rooney. Nahavita lalao miisa 84 niaraka tamin'ny Minesota United ny vodilaharana malagasy. Nahafaty baolina iray izy ary nahavita nanome tolotra tsy azo ivalozana miisa 10. 32 taona ny lehilahy ankehitriny, mirefy 1,78 metatra, milanja 72 kilao. Hatreto dia mbola tsy fantatra aloha ny lalan-kizoran’ity nomen-drizareo bekintana anaram-bosotra hoe “The Machine” ity saingy hirariana kosa ny hahitany ny tsaratsara kokoa ho azy sy ny mahasoa. Nisaraka aloha izany iny izy sy ny Minnesota.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT