Sport

Romain Metanire Mitohy ny ady amin’ny fanavakavahana


  • Talata 01 Septambra 2020

Ho fiombonana alahelo tamin’ny herisetra nataon’ny polisy amerikanina ilay mainty hoditra, Jacob Blake, ny 23 aogositra teo dia nanao fihetsika ho marik’izany indray ilay vodilaharan’ny baolina kitra Malagasy,

 

 

 

Romain Metanire. Mitohy hatramin’izao ny ady amin’ny fanavakavahana ho an’ity Barea milalao ao amin’ny Minnesota United FC ho marika fa isan’ireo hiharan’ny herisetra ihany koa ny tenany rehefa hiharan’ny herisetra ireo mainty hoditra toa azy. Manohana ny hetsika Black lives matter izay mitolona ho amin’ny fanafoanana ity fanavakavahana ity moa ny tenany ao Etazonia ao, izay toerana hilalaovany rahateo. Ahiana hiantraika amin’ny fifantohan’ity kintana Malagasy izay herin’ny ekipany ity mihitsy ny zava-misy any an-toerana raha ny fandinihan’ireo mpanara-baovao azy. Fanindroany izao ny Minesota no nizaka faharesena ao anatin’izao fiverenan’ny fifaninanam-pirenena amerikanina na MLS izao. Niondrika an-jaridaina tamin’ny isa 1 noho 3 teo anatrehan’ny FC Dallas moa ry Metanire sy ny namany ny 29 aogositra teo raha tsiahivina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT