Sport

Romain Metanire Mbola tsy foin’ny Amerikanina


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Mbola tafiditra ao anatin’ireo mpilalao miisa 10 mendrika indrindra eo anivon’ny

 

 

 

Minesota United FC, klioba divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra amerikanina, izay hilalaovany ny vodilaharana Malagasy, Romain Metanire. Mbola tsy foin’ny amerikanina, indrindra ireo mpanohana ny MU, ihany koa ny tenany raha ny heno amin’ireo amin’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireto farany. Matetika rahateo ity Barea ity no mahazo ny amboaran’ny mpilalao mendrika isak’ireo fihaonana ataon’ny ekipany. Mbola azo antoka, araka izany, ny tohin’ny fifanarahana ho amin’ity taona 2021 ity. Ny jolay 2019 teo moa, raha tsiahivina, no nandraisan’i Romain Metanire anjara voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena Amerikanina dia ny MLS na ny Major League Soccer izany.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT