Sport

Romain Metanire - Barea Mpilalao mendrika indray any Etazonia


  • Talata 28 Mey 2019

Tsy mitsahatra ny misandratra any Etazonia ilay vodilaharan’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra malagasy Romain Metanire.

 

 

 

Nampiditra ny baolina tokana nandresen’ny ekipany dia ny Minesota United FC ny Houston Dynamo izy ny alahady teo. Araka izany dia nosantariny tamin’ny alahady koa ny baolina matiny tao amin’ity ekipa Amerikanina, divizionina voalohany any an-toerana ity. Ankoatr’izay moa dia azony indray ny amboaran’ny mpilalao mendrika tamin’ity fihaonana ity taorian’ny efa nahazoany izany raha nihaona tamin’ny Galactic izay ekipa misy ilay kalaza Soedoa, Zlatan Ibrahimovich. Azo heverina, araka izany, fa andry tsy azo hihodiviran’ny Barea ity vodilaharana mbola tena ao anatin’ny heriny ity. Ny 7 jona izao moa dia hihaona amin’ny ekipam-pirenena Kenyanina ao amin’ny kianja Robert – Bobin ao Parisy, Frantsa, mandritry ny lalao fanomanan-tena hiatrehana ny CAN 2019 ny Barea.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT