Sport

Romain Metanire Ankafizin’ny mpanao gazety amerikanina


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Araka ny fandaharan’ny mpanao gazety eo anivon’ny Major soccer league news na ny gazety natokana ho an’ny fifaninanam-pirenena amerikanin’ny baolina kitra dia ilay malagasy, Romain Metanire,

 

 

 

 no mpilalao mafy indrindra ao an-toerana hatreto raha ny eo amin’ny fitanana ny anjara toeran’ny vodilaharana eo an-kavanan’ny kianja na «meilleur latéral droit ». hatramin’izay nifindrany tao amin’ny Minnesota United izay dia sarotra ho an’ny mpanazatra ny tsy hampilalao azy. Hatramin’ny niandohan’ny fifaninanan’ny MLS no nankaty dia izy no manana naoty ambony indrindra eo amin’io toeran’ny vodilaharana io satria dia 6,81/10 ny azy. Manana naoty ambonin’izay, 7.20/10, i Reggie Cannon ao amin’ny FC Dallas saingy verezin’i Metanire kosa eo amin’ny lafiny fitondrana baolina ambony kianja. Vereziny toy izany koa i Tinnerholm ao amin’ny New York City FC, manana naoty 6,45/10. Ny 85%n’ireo baolina nentin’i Metanire teny ambonin’ny kianja dia nahitam-bokatra avokoa, raha ny tarehimarika hatrany. Azony toy izany koa ny 71%n’ireo fifanandrinana na « duel ». Ny 50%n’ireo langalanga ataony aza dia tody eny an-tongotr’ireo irakiraka mpanafika avokoa. Io fahaizany mitazona baolina io no tena ankafizan’ny malagasy azy rehefa milalao ao amin’ny Barea, hoy hatrany ny fanazavan’ny MLS News. Hita ho tena ankafizin’ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena amerikanina, araka izany, ranamana ary mbola nampian’izy ireo fa tena ao anaty heriny ity vodilaharana 30 taona ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT