Tafita amin’ny dingan’ny 1/4-dalan’ny fifaninanana tenisy Roland-Garros eo amin’ny sokajy lehilahy ilay Espagnol Rafael Nadal rehefa nandresy an’i Maximilian Marterer (6-3, 6-2, 7-6[4]).
Niala an-daharana noho ny ratra ao amin’ny « muscle pectoral » nahazo azy kosa ilay kalaza vavy Serena Williams (36 taona) ka tsy niatrika ny 1/8-ndalana tokony ho nikatrohany tamin’i Maria Sharapova (31 taona) omaly alatsinainy. Tena malahelo aho, hoy i Serena nanoloana ny mpanao gazety omaly, fa hitako ho tena tsara ny toe-batana nentiko niatrika indray an’ity fifaninanana ity taorian’ny nahaterahako tamin’ny septambra 2017 nefa izao tsy afa-manoatra izao aho na dia tena tiako indrindra aza ny mifanandrina amin’i Maria eo amin’ny tenisy. Marihana fa efa nihintsana teo amin’ny fifaninanana olon-droa vehivavy miaraka i Serena sy Venus rahavaviny amin’ity fifaninanana Roland-Garros ity.
Mondial 2018 « Nationalmannschaft »
Mpiandry harato : Manuel Neuer (Bayern Munich), Roman Weidenfeller (Borussia Dortmund), Ron-Robert Zieler (Hanovre)
Vodilaharana : Jérôme Boateng (Bayern Munich), Philipp Lahm (Bayern Munich), Mats Hummels(Borussia Dortmund), Per Mertesacker (Arsenal/ANG), Kevin Grosskreutz (Borussia Dortmund), Erik Durm (Borussia Dortmund), Benedikt Höwedes (Schalke 04).
Irakiraka : Bastian Schweinsteiger (Bayern Munich), Toni Kroos (Bayern Munich), Mario Götze (Bayern Munich), Mesut Özil (Arsenal/ANG), Julian Draxler (Schalke 04), Sami Khedira (Real Madrid/ESP), Thomas Müller (Bayern Munich), Matthias Ginter(Fribourg), Christoph Kramer (Borussia M’Gladbach).
Lohalaharana : Miroslav Klose (Lazio Rome/ITA), Marco Reus (Borussia Dortmund), André Schürrle(Chelsea/ANG), Lukas Podolski (Arsenal/ANG).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.