Sport

Robert Randrianatoandro sy ny Barea Tsy tokony hitsahana ny maha firenena antsika


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Naneho ny firaisan'ny Hasim-piandrianana misy rehetra dia ny an'ny tany sy ny fanjakana ary ny vahoaka ny zava-misy ankehitriny noho ny fahatomombanan'ny lalaon'ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra any Egypta.

 

 

 Efa nandrandraina ela ary tanjon’ny Andro fandroana ny fanajariana io hasim-piandrianana io. Rariny raha mahafaly ny Gasy rehetra ary misy fiantraikany amin'ny fiainan'ny tsirairay avy izany, hoy i Robert Randrianatoandro raiamandreny ara-drazana ao amin'ny tranoben' Imerina Ambohimanga. Tokony heverina ihany anefa ny fanehoana fifaliana ndrao mamery hasina antsika tsirairay indray, Tsy mety ary tsy tokony hatao ny manitsaka na manosy ny saina na sarin-tsaina maha firenena antsika. Olana amin'izany ireo kapa miparitaka eny an-tsena misy ny anaran'ny ekipa Malagasy sy ny sainam-pirenena. Tsy natao hiadivana amin'ny mpandraharaha anefa izany fa mba hifanajana amin'ny zo aman-kasin'ny vahoaka manontolo.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT