Sport

Road to BAL any Afrika Atsimo Resy fanindroany ny COSPN


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Naman’ny nihintsana ny klioban’ny COSPN avy eto Madagasikara, raha ny vokatra azo amin’ny Elite 16 amin’ilay Road to BAL (Basketball african league).

Resy fanindroany indray mantsy ny solontena Malagasy ny andron’ny omaly. Niondrika 53-84 isika nanoloana ny Ferroviario Da Beira avy any Mozambique omaly, raha toa ka efa lavo 59-71 nanoloana an’I City Oilers avy any Ouganda ny talata teo. Ho an’ny lalao omaly izay nandresen’ny Mozambikanina 35-84 dia nitarika hatrany izy ireo 8-23; 23-54; 36-67, ary io 53-84 io no nisarahana. Somary nanana lesoka tamin’ny fiarovana isika, ary nandamoaka ihany koa ny ankamaroan’ireo tifitra tao anatin’ny faritry ny 6,75m satria 14 tamin’ny 39 ihany no tafiditra izay nanome 35% rah any tatitra. Ny 9% tamin’ny andrana isa 3 kosa no tafiditra. Mitazona ny laharana farany ao amin’ny Vondrona B isika hatreto taorian’ny faharesena fanindroany. Hiatrika ary hikendry fandresena kosa anio amin’ny 12ora sy sasany ora Malagasy, izay hifandona amin’ny Matero Magic avy any Zambie. Efa naman’ny raraka tsy afaka hiatrika ny dingana famaranan’ny BAL anefa isika, saingy heverina fa nahazoantsika naka sy nanovo traikefa ity dingana atao any Afrika Atsimo ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT