Rmasy

« Kely ny herijikantsika ho an’ny Mondial 2026 »


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2025

Tadidio ity teniko ity, hoy ny filohan’ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra eto Madagasikara

na K2HB, Jean Ignace Randrianirina na Ramasy, fa tsy misy ho antenaina izany tompondaka erantany eo amin’ny taranja baolina kitra 2026 izany, raha mbola toy izao no fitantanana ny baolina kitra eto Madagasikara. Namafisin’ny Kaonfeserasionina afrikanin’ny baolina kitra na ny CAF moa izany, raha ny fantatra ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mbola manara-penitra, araka ny fihirahirain’izao fitondràm-panjakàna eto an-toerana izao, hatramin’izao ny kianja misy eto Madagasikara, hatramin’ny Kianja Barea etsy Mahamasina. Vokatr’izay dia voatery miindrana kianjan’olona any Maraoka any indray izany ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea hiatrehana an’i Centrafrique amin’ny andro fahafiton’ny fifanintsanana hakàna ny tapakilan’izay tompondaka erantany izay, ho an’ny vondrona I, izay misy antsika ny 4 septambra izao. Toy izany koa ny fihaonana amin’i Tchad ny 8 septambra, andro fahavalo, izay samy lalao miverina moa ireo ary samy ho tontosaina ao amin’ny kianjan’i Larbi Zaouli, ao Casablanca, Maraoka avokoa. Azo lazaina ho tena kely ny herijika mikasika izay Barea ho any amin’ny tompondaka erantany 2026 izay, raha ny filaharana vonjimaika ato amin’ity vondrona I ity. Mitarika amin’ny isa 15 i Ghana. Faharoa i Kaomoro, isa 12. Fahatelo i Madagasikara, isa 10. Mali, fahaefatra, isa 9. Repoblikan’i Centrafrique na Afrika afovoany no fahadimy, manana isa 5, ary faha 6 farany i Tchad, izay mbola tsy nitoko. Tsiahivina fa tokana amin’ireo ihany no tafakatra avy hatrany amin’ny dingana manaraka. Azo lazaina ho mbola hifanehitra amin’ireo gana malemy aloha izany ny malagasy ao anatin’izay andro faha 7 sy faha 8 izay ary fara faha ratsiny tokony handresy satria sady lalao miverina heverina ho hampiantranoantsika ihany koa ireo ary tsy mora ny sedra mbola hiandry, raha ny mikasika ireo mbola lalao miverina sisa ambiny aorian’ireo. Sady irariana ho an’ity ekipam-pirenentsika ity, noho izany, ny hivoatra ara-tekinika sy takitika, fa indrindra koa, ny hahita fandresena hatrany amin’ireo lalao ambiny rehetra ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT