Sport

Rivo Rakotovao teny Vontovorona Nosiatsiahan’ny mpankafy ny Barea


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Nitodika tetsy amin’ny Kianjan’i Vontovorona ny saina sy mason’ny maro omaly noho ilay lalao goavana natrehan’ny Barean’i Madagasikara, ekipam-pirenena Malagasy,

 izay nisedra ny mafy sy ny mangidy kanefa dia nahavita nampiakatra avo ny voninahi-pirenena tao anatin’ny tsy firaharahian’ny mpitondra fanjakana. Rehefa misy ny lalao lehibe tahaka ireny, dia misy hatrany matetika ny solontenam-panjakana manome voninahitra ny lalao. Ny Filoham-panjakana vonjimaika Rivo Rakotovao no tonga tetsy Vontovorona. Siotsioka sy tabataba no nandraisan’ny mpitia kitra azy, ary toa tsy faly tamin’ny nahatongany teny an-toerana ny ankamaroan’ny vahoaka. Fihetsika feno fihatsarambelatsihy, hoy ny sasany, satria tsy arakaraka ny ezaka sy ny finiavana nananan’ireo mpilalao Malagasy no setriny avy amin’ny fanjakana, raha nandalo sedra mafy izy ireo. Ny fanevan’ny firenena no narovana, saingy tsy hita izay tena nataon’ny fanjakana teo anatrehan’ny olana, toy ilay resaka fiaramanidina manokana tokony ho nitondra ny Barea avy any Malabo any Guinée Equatoriale ka nataon’ny mpifanandrina fahirano tanteraka. Vidina fiara tsy mataho-dalana V8 iray dia mahavaha ny olana teo amin’izay resaka fiaramanidina izay, raha ny nambaran’ny mpilalaon’ny Barea iray efa tany alohan’ny lalao, saingy tsy nisy niraharaha e ! Mba fanontaniana manitikitika ny mpitia kitra ihany koa ny hoe : mba nankaiza sy nampiasaina tamin’ny inona izany ny volabe noraofina tamin’ny fihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy Sénégal ? Ny azo antoka aloha dia hipatrapatraka ny fisaorana sy ny fankasitrahan’ny mpitondra sy ny mpanao politika ireto mpilalao Malagasy ireto, saingy tsy feno ihany rehefa tany anaty ady mafy no tsy noraharahiana. Rehefa mahazo vokatra vao faly ery hitavana ny ezaky ny mpilalao. Mila esorina amin’ny fomba fitantanana amin’izay ity fomba fisainana ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT