Sport

RIM Ho sarotra ny fandidiana


  • Zoma 26 Mey 2023

Efa any amin'ny Rallye International de Madagascar ny mason'ny rehetra. Asa aloha na dia hisy vahiny ho avy araka ny anarany fa ny azo antoka dia tena hiady mafy ny lalao amin'ireo andro ireo.

Ny 16.17 ary 18 jona izay indray no fotoana ary efa hita mikarakara fatratra ireo mpandray anjara .Mbola samy hanaraka ny adin'ireo Subaru indray izany satria dia tsy maintsy ho tonga ireo sangany amin'ity familiana ity. Ao izany i Fred Rabekoto sy Mathieu Andrianjafy ary Tahina Razafinjoelina izay tena mifampitana hatramin'izao. Ny vaovao mahafaly anefa dia efa niteny koa ry Rasoamaromaka fa ho avy i Faniry hamily ilay biby be Peugeot 208 ary Mika kosa hiverina amin'ilay 206 WRC an'i Le Roi Lion. Samy matanjaka izany ny hifandona ary inoana fa efa nahazo traikefa tsara tany amin'ny Rallye Clio Terre tany Lafrantsa ireto zanaky ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka ireto. Heno fa mbola mety hisy fiara raitra ho avy koa eo saingy tsy miseho aloha ny hitondra an'izany. Mety koa anefa no mahavita fahagagana toy ny nataon'i Aro tamin'ny Rallye FMMSAM farany teo. Ary izay ilay lalao. Misy foana ny tsy ampoizina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT