Sport

Resy indray ny Barea Lesoka hatrany ny famonoam-baolina


  • Zoma 12 Novambra 2021

Tapitra tanteraka omaly 11 novambra ny herijika amin’ity fifanintsanana handehanana any “Qatar 2022” ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra.

 Raha mba noheverina niantomboka teo amin’ny fandresena an’I RD Congo ny fandresena misesy ho an’ny ekipam-pirenena, dia nibata ny faharesena faha-4 tamin’ny lalao 5 vita isika hatreto, tao anatin’ity fifaninana ity. Lavon’I Bénin 2-0 indray isika omaly, kanefa efa resiny 1-0 tetsy Mahamasina ny 02 septambra 2021 lasa teo. Miakatra eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny Vondrona J ny Béninois manana isa 10, faharoa RD Congo manana isa 8 taorian’ny fandreseny 3-0 an’I Tanzanie. Fahatelo ny Tanzanianina manana isa 7, ary fahaefatra farany isika manana isa 3. Na mandresy an’I Tanzanie aza isika ny alahady 14 oktobra izao etsy Mahamasina, dia ho laharana faha-4 hatrany ao anaty vondrona. Tsy atao mahakivy ny faharesena, fa hakana lesona sy hanatsarana foana e!Azo lazaina ho nanao fa tsy nambinina isika, raha tarafina amin’ny endri-dalao sy ny ezaka nasehon’ny ekipam-pirenena tamin’ny ankampobeny omaly. Hita ho manomboka mipetraka sy marin-toerana ny rindran-damina sy ny endri-dalao. Isika no saika nanokatra ny isa vao tany amin’ny minitra faha-2, saingy tsy tao ny vintana. Tena nanao izay ho afany ry Njiva tany amin’ny faha-22 minitra, namitaka olona 4, ary nandaka saingy avotry ny mpiandry harato. Naneho endri-dalao tsara ny mpilalao tamin’ny ankampobeny, saingy ny mpampiantrano no afaka nampiditra baolina voalohany tamin’ny alalan’I Doussou teo amin’ny minitra faha-44 minitra, « tir cadré » voalohany ho azy ireo, mbola niampy iray rehefa tratry ny “contre-attaque” isika tany amin’ny faha-80 minitra. Gorobaka hatrany ny haraton’I Mélvin, izay nidiram-baolina miisa 8 tamin’ireo lalao 4 naha tompon-toerana azy tamin’ity fifanintsanana ity satria ny fandresena iray monja azontsika, dia I Mathyas no tompon-toerana.

LESOKA NY FAMONOAM-BAOLINA
Lesoka hatrany ihany koa anefa ny famonoam-baolina ho antsika Malagasy, ary tsy vao izao io, fa efa hatramin’izay, saingy tsy mety hita hatreto ny fanalahidy. Tamin’ity fifanintsanana ity fotsiny, nidiram-baolina 8 isika, ary zara raha nahafiditra 3! Mety misy lesoka ny vodilaharana, fa amin’ny lalao dia tanjona ny handresy saingy ny famoam-baolina ahazoana an’izay aza tena manahirana. Ireo loharantsika ve no tsy mahavoa sa ny paikady no tsy mety? Tsy finiavana hanonona mpilalao na tsy fitiavana sanatria fa tena maharesy lahatra sy vahaolana ve ny mampiditra an’I Hakim Abdallah tao anatin’ny ekipam-pirenena ka ao anatin’ilay isika efa manenjika isa raha jerena amin’ny herijika na ny “performance” nananany hatrizay? Mila ezaka any amin’ny famonoam-baolina isika, mila fanatsarana ihany koa anefa ny fiarovan-tena sy ny ao afovoan-kianja satria matoa hidiram-baolina dia ao raha! Ny ara-pitantanana moa, toa efa lany henatra ireo ao amin’ny Federasionina tsy an-kanavaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT