Sport

Resy 89-10, nivarina sokajy B Sao dia nivarotra lalao tamin’ny Namibia ny Makis


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Vitsy ny mpijery tonga tetsy Mahamasina tamin’ny andro faha-3 sady faran’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika omaly. Samy nahazo fandresena roa ary faharesena iray avy ireo ekipa telo ankoatra an’i Madagasikara ka ny tombon’ny baolina tafiditra no namaritana izay tompondaka....

Ny Namibianina no tafavoaka lah-1 taorian’ny fandresena niezinezina azony nanoloana an’i Madagasikara omaly tamin’ny isa faran’izay mavesatra 89-10. Nandeha be ny resaka teny an-toerana. “Sao dia mba nivarotra lalao tamin’i Namibia ny Makis satria efa raraka ihany”, hoy ny maro. Efa nitarika 63-0 ny Namibianina hatreo am-pialan-tsasatra izay nitady tombon’isa 52 dia mandrombaka ny anaram-boninahitra. Taty amin’ny fidirana faha-2 ny Makis vao nahavaky atody, fahadisoana notsarain’i José (47’) ary nampian’ny baolina naterin-tanan’i Benja (54’) ary voatsaran’i José. Nahatratra 13 ny baolina voatitry ny Namibianina nandritra ity fihaonana ity ary efa nahatratra 9 izany teo am-pialan-tsasatra. Marihina fa vao nanondro 74 minitra ny ora teo amin’ny latabatra dia efa rava ny fihaonana satria tsy nitovy tamin’ny famantaranoran’ny mpitsara afovoany, ary saika toy izany koa na ireo lalao tany aloha aza.

Nionona tamin’ny medaly alimo i Kenya, tompondaka farany

Lavon’i Zimbaboe tamin’ny isa 28-10 kosa omaly i Kenya. Nanova zavatra be tokoa ny andro faha-3 rehefa samy nahazo fandresena roa ireo ekipa vahiny telo. Lasan’i Zimbaboe indray aza ny medaly volafotsy sy toerana hiady ny lalao sakana amin’ny ekipa eoropeanina. Lasa lah-3 ary nionona tamin’ny medaly alimo i Kenya, tompondaka farany na dia efa nitarika vonjimaika tamin’ny fandresena roa aza taorian’ny andro faha-2. Nivarina sokajy B indray izany aloha ny Makis metalin’i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT