Sport

Resaka fitsipaham-pitokisana Nifampibetroka ny minisitra sy ny depiote


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Naharitra 10 ora be izao (4ora tolakandro ka hatramin’ny 1ora30 maraina) ny fifanazavana manodidina ny resaka fandriampahalemana teo amin’ireo depiote

 

 

 

an-jatony sy an-daniny sy ireo minisitra voakasiky ny resaka (minisitry ny Fiarovam-pirenena, minisitry ny Filaminam-bahoaka, minisitry ny Fitsarana, minisitry ny Ati-tany ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena) tao amin’ny trano fivorian’ny Lapam-panjakana eny Tsimbazaza tamin’ny alakamisy 12 martsa 2020 lasa teo. Depiote maro mba tsy hilazana fa izy rehetra no maniry ny mba hamatsiana fitaovana toy ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy motos an’ireo mpitandro ny filaminana any amin’ny distrika misy azy ireo tsirairay avy. Tsy vitsy ihany koa ny maniry ny mba hampitomboina an’ireo « postes avancés » sy ny isan’ireo mpitandro filaminana any amin’izy ireo. Ireo ministra voalaza tetsy ambony kosa tetsy an-kilany nampanantena ny hanao izay ho afany araka ny eo am-pelatanany amin’ireo fangatahan’ny solombavambahoaka ireo. Olona goavana, hoy ireto minisitra ireto, ny tsy fahampian’ny teti-bola hoenti-miasa nefa misy ihany ny azo harenina ao anatin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana fanampiny « loi de finance rectifivative » ho avy.

 

Miakatra ny feo

Fa izay nampiakatrakatra ny feo teo amin’ny fifampiresahan’ny minisitra tompon’andraikitra iray sy ny depiote  IRD  sasantsasany dia ny mikasika an’ilay resaka fitsipaham-pitokisana manangasanga eny anivon’ity rafim-panjakana ity ankehitriny. Nahatafavoaka vava mihitsy ity minisitra ity fa : « tsy matahotra soniam-pitsipaham-pitokisan’ireo depiote izany izy na firy na firy  fa izy notampatambazana no naha-minisitra azy teo ka tsy matahotra ny depiote halana azy amin’ny toerany izany ». Azo adika ho karazana fahatokisan-tena amin’ny tena fanohanana matanjaka ny filoham-pirenena ankehitriny izany ataon’ity minisitra ity izany manoloana an’ireo mpomba azy hafa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 





 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT