Nilaza tamin’ny alalan’ny horonan-tsary tao amin’ny pejy facebook-ny ny kapitenin’ny Barean’i Madagasikara teo aloha Faneva Ima ny sabotsy tolakandro,
fa araka ny vaovao mari-pototra azony dia mpilalao voan’ny covid-19 dia i Zotsara Randriambololona, ary nisy STAFF iray sy mpitsabo iray tao anatin’ny delegasionina Malagasy. Nanao antso mba tsy hifampikasohana mivantana amin’ireo mpilalao sy ireo nifanerasera mba ho fisorohana ny tsy hipariahan’ny valanaretina eto amin’ny firenena. Ny sabotsy takariva, naneho ny mpanazatra Nicolas Dupuis, fa hatreto dia tsy misy soritra aretina “positif” ny delegasionina rehetra izay tonga aty Toamasina, ary ny alahady no hanao fitiliana. Omaly maraina, “tsy araka ny feo miely mahakasika an'i Zotsara izay ao anatin'ny delegasionina tonga eto Toamasina izay nolazaina fa hoe "positif" dia voamarina tamin'ny test natao izao maraina izao fa "negatif" izy ary ho anisan'ireo mpilalao hiatrika amin'ny Côte d'Ivoire amin'ny talata izao. Ny STAFF rehetra koa dia tsy misy mitondra ny otrikaretina Covid-19", hoy ny Mpanazatra Nicolas Dupuis.
MISY TE HANAKORONTANA ?
Raha nanao iny horonan-tsary iny I Faneva Ima dia heverina fa tsy finiavana hanakorontana fa noho ny fitiavana ny Barea sy ny mpiray tanindrazana. Nanana ny loharanom-baovaony izy. Efa tany Côte d’Ivoire izany no nisy resaka fa voa na ahiana ho voa i Zotsara sy ireo nambara fa voa niaraka aminy. Tsy maintsy atao fitiliana rahateo rehefa hanainga. Nisafidy ny hitondra an’I Zotsara taty Madagasikara ny Mpanazatra satria re fa mampiahiahy azy fitiliana izay ahiana ho tetikady natao hanakorontana. Tsy maintsy atao ny fitiliana na “contre-test” teto Madagasikara, ary “negatif” ny valiny, izany hoe tany Côte d’Ivoire no mety nisy lesoka. Tetikady natao hanakorontanana ny Barea ve izany iny resaka iny? Na izany aza, mba tsy hisian’ny savorovoro tahaka ireny, tena tokony hajaina ny rafitra, ary tokony masiaka sy hentitra amin’zany ny FMF sy ny fanjakana. Ny mpanazatra no to teny sy hiresaka ny vaovao ofisialy momba ny ekipam-pirenena ampian’ny FMF, saingy io rafitra mpiahy ny Baolina kitra Malagasy io aza, toy ny moana sy marenina teo anatrehan’ny resaka efa nampisavorovoro saim-bahoaka. Tetsy ankilany, mety maika loatra ihany koa ny Kapiteny teo aloha Faneva Ima namoaka ny vaovao, izay tsy homen-tsiny ihany etsy andaniny satria zava-doza ny resaka covid-19. Hatramin’ny Amiraly Ratsiraka Filoha teo aloha aza naneho hevitra sy nanao antso avo noho ny resaka covid-19 nahazo ny ekipam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.