Rehefa nihazohazo nandritry ny 9 volana

Vita ihany ny famindrana an’i Berajo


  • Zoma 24 Mey 2024

8 andro izay ilay vodilaharan’ny Jet Kintana, divizionina voalohany eto Madagasikara eo amin’ny

taranja baolina kitra, Rajo Razafindrabe na Berajo, no tonga tany La Reunion rehefa nikatso nandritry ny 9 volana. Tena lava izay fotoana niandrasana izay, hoy ity mpilalao malagasy ity. Tena faly aho, hoy izy, fa tonga ihany ankehitriny. Somary mafimafy ny niainana nandritry ny volana vitsivitsy talohan'ny nahatongavako taty, hoy ihany i Berajo. Tena efa nahatratra iray taona izay no nifandraisana tamin'i Berajo fa navelanay hiteny izay hiteny, hoy kosa ny klioban’ny Saint Denis FC ao La Reunion, izay klioba nifindran’i Berajo. Maro no niheritreritra hoe efa votsotra ny momba an'iny, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana omaly. Izahay kosa anefa dia tsy nilavo lefona hatrany fa nanohy ny ezaka rehefa mba nahafahany ho tonga taty ankehitriny. Tena navesatra ny fikarakarana ny fivoahan'i Berajo tao Madagasikara. Hisaorana ireo rehetra izay niasa tao ambadika ka mba nahafahan'i Berajo ho tonga teto, hoy hatrany ny filohan’ny Saint Denis FC. Anisan'ny hita tonga naka an'i Berajo teny amin'ny seranam-piaramanidina moa i Tsito Razafindrasata, izay mpilalao malagasy ao amin'ny St Denis FC ihany koa . Nampahafantarina omaly ary fa dia vita ihany izany ny famindrana an’i Berajo hilalao amin’izay ao amin’ity klioba ity rehefa nihazohazo nandritr’izay 9 volana tsy nananany klioba izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT