Real≠Barcelone niteraka resabe

Miantso ny hamerenana ny lalao ny Catalans


  • Talata 23 Aprily 2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

sy ny FC Barcelone tao amin’ny kianjan’i Santiago Bernabéu ny alin’ny alahady teo. Nivoaka nandresy tamin’ny isa 3-2 ny mpampiantrano, saingy miteraka tsy fankasitrahana ho an’ny FC Barcelone sy ny mpanohana azy ny baolina izay tafiditr’i Lamine Yamal teo amin’ny faha-28 minitra, saingy nolavin’ny mpitsara ho mbola tsy nihoatra ny tsipika. Tsy misy rahateo ny fampiasana ny « goal line technology » eo anivon’ny Liga ka io no nentina nanehoana fa tsy voaporofo fa efa tena nihoatra ny tsipika ny baolina, raha toa ka manamafy ny ankilany, fa baolina efa tafiditra no noraisin’i Andriy Lunin. Nanamafy ny tsy fankasitrahany ny Filohan’ny FC Barcelone Joan Laporta, ary nangataka mihitsy ny hamerenana ny lalao. Miteraka fifampitsekerana goavana eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra any Espagne eny fa na ho an’ny mpanaraka maneran-tany aza ity tranga ity, ka ao ny mandika azy ho « scandale » goavana, ary misy ny maneho ho fa tsy fahazakana resy. Taorian’iny fandresena nampiady hevitra azon’ny Real teo amin’ny andro 32 iny, dia mitarika mazava amin’ny isa 81 izy ireo ao anatin’ny Liga ary efa azo lazaina ho lasany ny tompondaka. Eo amin’ny laharana faha-2 kosa ny FC Barcelone izay manana isa 70. Henjana ny fahavoazan’ny Catalans satria vao ny herinandro nialoha an’io ihany koa ilay fifandonana nahararaka azy teo amin’ny ampahefa-dàlan’ny Champion’s League nanoloana ny sy Paris Saint Germain, izay niteraka fanasaziana henjana ny mpitsara noho ny fanapahan-kevitra voasokajy ho hafahafa, nanome karatra mena an’I Arauju sy ny mpanazatra Xavi Hernandez, antony lehibe nahararaka ny FC Barcelone.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT