Sport

Razanatovo Lucien René Olon-kendry, manaja fepetra ny mpankafy rugby


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Olon-kendry mahay manaraka fepetra takiana aminy ny mpankafy ny lalao rugby Malagasy, hoy ny “Directeur de competition” ao amin’ny Rugby

 

 

 

Malagasy Razanatovo Lucien René, ka na dia naniry mafy ny hanatrika an’ireo  lalao saika notanterahina teny amin’ny kianja Makis ny alahady 22 martsa 2020 araka ny afisy efa napetraky ny seksion’i Vakiniadiana sy ny Malagasy Rugby hatramin’ny alarobia lasa teo aza izy ireo dia nanaiky an-tsakany sy an-davany ny lamina napetraky ny fanjakana Malagasy amin’ny fanafoanana an’ireo hetsika ara-panatanjahantena rehetra eto amintsika mandra-pisian’ny toromarika vaovao indray. “Marina fa ny sabotsy 21 martsa efa ho madiva ho alinanalina ihany ny tenako, hoy Atoa Nené, dia mbola nandray antso an-telefaonina tamin’ireo tompon’andraikitry ny rugby ao Vakiniadiana ihany nanontany raha mbola azo hatao na tsia ny fifaninanana nefa dia nambarako tamin’izy ireo mazava fa rehefa misy lalàna mivoaka hoan’ny fanatanjahantena Malagasydia tafiditra ao  anatiny koa ny tontolon’ny rugby Malagasy ka aoka isika hanaraka izay voalazan’izany dia izao nanaraka ny fanapahankevitra izao ny rehetra”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT