Sport

Razafindrasata Tsito Mamiratra any amin’ny Cosafa Cup 2018


  • Alarobia 06 Jona 2018

Na dia vao voalohany aza no nivoahany niaro ny voninahi-pirenena amin’ny maha mpilalon’ny Barean’i Madagasikara azy miaraka amin’ny rahalahiny Razafindrasata Tsiry dia mamiratra tanteraka hatreto ilay mpilalao tanora vao 22 taona monja (teraka tamin’ny taona 1996),

 

i Tsito Razafindrasata na Tsito Nandrasana, mpilalaon’ny ekipan’ny Jet Mada tompondaka vaovaon’ny ligin’ny baolina kitran’Itasy izay nandresy ny Cnaps Sport tompondaka farany tamin’ny isa 1-0 teny Vontovorona tamin’ny 6 mey 2018 lasa teo izay andro fah-6 farany tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligin’Itasy 2018. Voahosotra ho mpilalao mendriky ny fihaonan’ny Barea sy Comores  tamin’ny fifanintsanan’ny Vondrona A amin’ity Cosafa Cup ity ny 31 mey 2018 lasa teo i Tsiry Razafindrasata. Nankatovin’i René Dupuis,  mpanazatra ny Barea manatrika ny fihaonana rehetra any Afrika Atsimo ankehitriny ity mpilalao tanoran’ny Barea Cosafa Cup 2018 ity ka tombanana ho anisan’ireo mpilalao hantsoiny hanatevin-daharana ny Barea hiatrika an’i Sénégal amin’ny septambra ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT