Niova taranja ara-bakiteny na eo amin’ny fiangaliana taranja ara-panatanjahantena na eo amin’ny sehatry ny fanaovana politika ny CT teo aloha, Razafindrakoto Fidy Mamy Helison na i Besetroka ankehitriny.
“Raha nitantana taranja basikety taty Ambatondrazaka aho teo aloha, hoy izy, dia voatery nisafidy ny hanao ny haiady amin’izao fotoana izao noho ny fepetra misy eo amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 eo amintsika. Eo amin’ny sehatry ny politika indray dia ambako etoana fa lasa sekretera nasionaly lefitry ny antoko AREMA tantanan’ny Amiraly Didier Ratsiraka ny tenako ankehitriny fa efa niala tsy ao amin’ny antoko TGV nisy ahy teo aloha intsony. Eo amin’ny fiainam-piarahamonina dia tsy mitsahatra manentana ny olona hanaraka ireo fepetra takiana amin’ny fiarovana tsy hianahan’ny tsimokaretina coronavirus dia ny fanasana tanàna amin’ny savony matetika, ny tookny hampiasan’ny rehetra ny “gel disinfectant”, ny fitondrana manrakariva ny aro-vava rehefa mivoaka ny trano, ny fanajana ny elanela 1 m rehefa miresaka sns…ny tenako ankehitriny aty Ambatondrazaka amin’izao fisian’ny mpijinja vary avy any amin’ny faritra hafa tonga aty aminay izao izay tsy fantatra na mety ho fototry ny hiavian’ny Covid-19, sy amin’ny fisian’ireo efa mitondra ny tsimokaretina ao amin’ny orinasa Ambatovy aty amin’ny faritra misy anay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.