Sport

Razafimbelo Norbert sy ny Analamanga rugby Kandida be fitetika miaraka amin-dRajaonarimampianina


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Atoa Razafimbelo Norbert mpitantana ny fileovana AFA Ankazomanga ankehitriny hatreto no hany kandida efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filoha vaovaon’ny rafitra ligin’ny rugby eto Analamanga teny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby hifarana ny sabotsy 13 janoary ho avy izao.

 

 Azo ambara fa be fitetika ihany izy satria tena tadiaviny holokoina politika miaraka amin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina ny fifidianana eo amin’ny taranja rugby hirotsahany. Roritin’izy ireo amin’io fifidianana io ny mponina eny ambany tanàna izay tena mpankafy rugby. Satria taonan’ny fifidianana ny taona 2018 dia azo antoka fa hotohizan-dry zareo hatrany amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy ny kajikajy. Azo ambara ihany koa fa fifidianana amboletra izy ity satria tsy hanaiky ny hanatanterahana azy ny filoha am-perinasa, Ravelojaona Andry La Pie, satria efa nambarany fa 4 taona no fe-potoana hiasany fa tsy 2 taona sy tapany. Ireo filohana seksiona 3 tamin’ireo 4 nifidy azy anefa efa nametraka fitsipaham-pitokisana azy teny Ivandry tamin’ny faramparan’ny taona 2017 teo. Mikasika ny kandida Razafimbelo Norbert manokana, ankoatra ny maha filohan’ny AFA Ankazomanga ny tenany dia efa mpanazatra ny ekipan’ny CUR Toamasina izy teo aloha ary nitondra ny rigby tany amin’ny faritra Atsinanana ary efa nitantana ny ligin’ny rugby tany an-toerana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT