Atoa Razafimbelo Norbert mpitantana ny fileovana AFA Ankazomanga ankehitriny hatreto no hany kandida efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filoha vaovaon’ny rafitra ligin’ny rugby eto Analamanga teny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby hifarana ny sabotsy 13 janoary ho avy izao.
Azo ambara fa be fitetika ihany izy satria tena tadiaviny holokoina politika miaraka amin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina ny fifidianana eo amin’ny taranja rugby hirotsahany. Roritin’izy ireo amin’io fifidianana io ny mponina eny ambany tanana izay tena mpankafy rigby. Satria taonan’ny fifidianana ny taona 2018 dia azo antoka fa hotohizan-dry zareo hatrany amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy ny kajikajy. Azo ambara ihany koa fa fifidianana amboletra izy ity satria tsy hanaiky ny hanatanterahana azy ny filoha am-perinasa, Ravelojaona Andry La Pie, satria efa nambarany fa 4 taona no fe-potoana hiasany fa tsy 2 taona sy tapany. Ireo filohana seksiona 3 tamin’ireo 4 nifidy azy anefa efa nametraka fitsipaham-pitokisana azy teny Ivandry tamin’ny faramparan’ny taona 2017 teo. Mikasika ny kandida Razafimbelo Norbert manokana, ankoatra ny maha filohan’ny AFA Ankazomanga ny tenany dia efa mpanazatra ny ekipan’ny CUR Toamasina izy teo aloha ary nitondra ny rigby tany amin’ny Faritra Atsinanana ary efa nitantana ny ligin’ny rugby tany an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.