Sport

Razafiarivony Angelot Nibata ny « Prix PAISAC » basikety


  • Talata 16 Janoary 2018

Lasan’ilay “Instructeur FIBA Afrique" Malagasy, Razafiarivony Solofohery Angelot, ny loka natolotry ny STESAM avy amin’ilay fifaninanana “Prix ¨PAISAC”

na Programme d'Appui International Aux Sports Africains et des Caraïbes natokana ho an'ireo efa niofana tany Montréal Canada (Boursier Olympique), avy aty Afrique sy Caraïbes. Nisy firenena 25 no nandray anjara (20 avy aty Afrique, 05 avy any  Caraibes). Ny fampiofanana nomeny nanomboka ny 2008-2017 no nitsarana  ireo mpandray anjara. Ho an’ity teratany Malagasy ity manokana dia nahatratra 36 ireo fiofanana (stage) notarihiny teto Madagasikara. Nahatratra 518 ireo mpiofana nahazo diplaoma tamin’izany :

- coach minibasket (365) ;

- niveau 1 (116) ;

- niveau 2 (27);

- niveau 3 (10)

 

Ankoatra io loka natolotry ny Stesam io sy ny fankasitrahana natolotry ny PAISAC azy dia nahazo vatsim-piofanana (lelavola) ihany koa Razafiarivony Angelot tamin'ny fiafaran'ny fiofanana Paisac andiany faha-30 natao tany Montréal Canada tamin’ny 17 desambra lasa teo.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT