Rayan Raveloson sy Loïs Diony

An-dalana hiakatra divizionina voalohany


  • Zoma 05 Janoary 2024

An-dalana hiakatra divizionina voalohany na ligue 1 Uber Eats ao anatin’ny

fifaninanam-pirenena frantsay ankehitriny ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Rayan Raveloson, 26 taona, sy ilay mpilalao frantsay izay heverina fa manana rà malagasy ihany koa, Loïs Diony, 31 taona, raha ny filaharana nandritry ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa na ligue 2, andro faha 19 farany teo no jerena. Ny klioban’i Angers Sporting Club de l'Ouest, izay misy an’i Loïs, moa no mitarika ny filaharana hatreto ary manana isa 40. Faharoa manaraka azy ao kosa ry Rayan sy ny A.J Auxerre, izay manana isa 38. Raha ny mikasika an’i Loïs Diony manokana dia azo lazaina ho mamiratra eo amin’ny toerana maha mpanafika azy amin’izao fotoana izao ny lehilahy ary heverina fa tsy tokony ho sarotra ihany koa ny handresy lahatra azy ho isan’ny Barea, raha ny taonan’ity mpilalao ity no jerena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT