Rayan Raveloson

Novidian'ny Young Boys, klioba manao LDC


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Ofisialy ! Nikopa-kelatra nakany amin'ny Young Boys Klioba divizionina voalohany

any Suisse i Rayan Raveloson, irakiraka afovoan'ny Barean'i Madagasikara, nilalao tao amin'ny AJ Auxerre tao Frantsa. Vita ny sabotsy teo ny fifanaraham-pifindrana ka 1,5 tapitrisa Ar no nividianan'ny Young Boys any Berne ity mpilalao 28 taona isan'ny Kapitenin'ny Barean'i Madagasikara ity, efa in-33 voaantso nandrafitra ny ekipam-pirenena. Klioba faha-5 ho an'i Rayan ny Young Boys hatramin'ny naha mpilalao matihanina azy, ka nilalaovany tao amin'ny Tours FC isan'ny namolavola azy nilalaovany nanomboka ny taona 2014 sy nahavitany lalao 90. Nifindra tao amin'ny Troyes izay Ligue 2 Frantsay ny 2018 tafakatra Ligue 1 ny 2020-2021 izay nandraisany anjara tamin'ny lalao 35/38 saingy naleony nisidina tany Etazonia nilalao tao amin'ny Los Angeles Galaxy. Nahavita lalao 44 tao, namono baolina 8 sy tolotra 2, ary niverina tany Frantsa nilalao tao amin'ny Ligue 1 niaraka tamin'ny AJ Auxerre, nivarina Ligue 2 avy eo tafaverina Ligue 1. Lalao 13 no vitan'i Rayan tao amin'ny Ligue 1 ho an'ny 2024-2025, ary baolina 1 no matiny izay baolina voalohany matin'ny Auxerre tamin'ity taom-pilalaovana ity. Hisedra ny Super League any Suisse indray izy, ary manana herijika hilalao amin'ny Ligue des champions na LDC, saingy eo amin'ny laharana faha-36 farany hatreto ny Young Boys, ka sarotra ny hiakarany amin'ny ampafavalon-dalana hatreto. Hihaona amin'ny Celtic Glasgow ny 22 janoary izao ho an'ny andro faha-7, ary hifampitady amin'ny Étoiles Rouges kosa ny 29 janoary izao ao anatin'ny andro faha-8 amin'ny Ligue des Champions, fifaninana lehibe indrindra any Eoropa. Alefa Rayan!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT