Rayan Raveloson

Nanakobana harato indray


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Mitohy ny fahombiazana ho an’i Rayan Raveloson ao anatin’ny Super League any Suisse.

Namiratra indray ity mpilalao Malagasy ity ny sabotsy teo nandritra ny lalao nifandonan’izy ireo tamin’ny FC Sion teo amin’ny andro faha-23 amin’ny fifaninanam-pirenena ny Suisse. Namono baolina biray indray i Rayan, ary izy no nanokatra ny isa ho an’ny kliobany vao 62 segaondra nilalaovana. Daka alavitra avy amin'ny 30 metatra izay niafara avy hatrany tany anaty harato no nahafatesany ny baolina. Tsy nijanona intsony fa dia niafara tamin'ny score 5-1 ho an'ny Young Boys ny lalao faha-4 ho azy io, ka ny 3 tamin’ireo izay naha tompon-toerana azy, dia fandresena avokoa, ary baolina 2 no matiny. Niakatra vonjimaika ho eo amin’ny laharana faha-5 amin’ny isa 34 ny Youngs Boys raha ny FC Bale kosa no laharana voalohany vonjimaika amin’ny alalan’ny isa 40.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT