Sport

Rayan Raveloson Nampiditra ny baoliny voalohany tany Etazonia


  • Zoma 09 Jolay 2021

Nampiditra ny baolina voalohany ho azy tany Etazonia omaly ny kintana Malagasin’ny Major league soccer vaovao, Rayan Raveloson,

 nandritry ny lalao faharoa niarahany tamin’ny ekipa divizionina voalohany Amerikanina Los Angeles Galaxy. Izy mihitsy no nahafaty ny baolina voalohany nahatonga ny LAG hitarika 1 noho 0 nanoloana an’i Dallas FC. Nifarana tamin’ny fandresen-dry Rayan tamin’ny isa 3 noho 1 moa ny lalao. Ankoatran’ny fahitana fa havanana amin’ny famonoana baolina amin’ny loha ity Barea ity dia tsikaritra ihany koa tao anatin’ireo lalao nataony fa mahazo aina ny tenany rehefa hampitanana ny toeran’ny vodilaharana afovoany na “defense central”, toerana izay notanany tany Frantsa rahateo io fony izy mbola tao amin’ny Estac Troyes. Misy mahita koa anefa fa tsy mifidy toerana hametrahana azy na koa hoe “polyvalent” anefa ny lehilahy satria hatrany hatrany dia ny toeran’ny irakiraka mpiaro afovoany na “milieu defensif” no nametrahana azy tato amin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra. Na izany aza dia hita ho mamiratra sy mitombo talenta hatrany ny lehilahy ao anatin’izao faha 24 taonany izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT