Sport

Rayan Raveloson Namono baolina tsara indrindra tanaty MLS


  • Alakamisy 05 Aogositra 2021

Ny baolina matin’ilay malagasy, Rayan Raveloson, no voasalotra ho baolina maty tsara indrindra tamin’ity herinandro ity eo amin’ny fifaninanam-pirenena amerikanina eo amin’ny taranja baolina kitra

, divizionina voalohany, na Major league soccer na MLS. Bisikileta teo amin’ny faha 27 minitra nilalaovana ny 31 jolay teo, raha tsiahivina, no nanokafany ny isa ho an’ny ekipany ao amin’ny Galaxy Los Angeles FC. Nandresy tamin’ny isa 4 noho 1 nanoloana ny Portland Timbers ny Galaxy tamin’io fotoana io. Ity irakiraka afovoany mpiaro Malagasy ity hatreto no azo lazaina ho mpilalaon’ny ekipam-pirenentsika namiratra indrindra tao anatin’izay 1 volana farany izay. Inoana fa ahita fampisehoana hahavelom-bolo azy tanteraka ny mpankafy Barea amin’ny volana septambra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT