Sport

Rayan Raveloson Mitombo hery hatrany


  • Zoma 22 Janoary 2021

Mitombo hery hatrany ary hita ho miezaka mametraka ny maha izy azy ao anatin’ny ekipany dia ny Estac Troyes,

 

 

 

 

divizionina faharoa Frantsay, ilay kintan’ny baolina kitra Malagasy, Rayan Raveloson. Tsy vitan’ny hoe namiratra fotsiny fa tena tsikaritra ho niha nahazo fahafinaretana isaky ny maharay baolina eny am-pela-tongony ity andrin’ny afovoanin’ny kianjan’ny ekipam-pirenena Malagasy ity. Azo antenaina ho lasa lavitra ny tenany satria dia vao avy nandray ny faha 24 taonany ny 16 janoary teo ary efa hadiva hiakatra ny “ligue 1” tsy ho ela intsony koa ny ekipany raha ny vokatra hatreto na dia lavon’ny AJ Auxerre tamin’ny isa tokana 1 noho 0 aza ny alin’ny 20 janoary teo. Lalao izay natao tany Auxerre moa ity farany ity ary azo lazaina ho vintana ihany no nandresen-drizareo Auxerrois na dia tao an-taniny aza satria dia nanindry hatramin’ny farany ny Troyes saingy tsy androny moa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT