Sport

Rayan Raveloson Hiverina hilalao any amin’ny ligue 2


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Taorian’ny faharesena an-jaridaina ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny isa mazava 1 noho 3 dia rava hatreo ny fanantenan-dry Rayan Raveloson sy ny namany ao amin’ny A.J.

Auxerre hijanona amin’ny fifaninanana Uber eats ligue 1 frantsay. Hiverina hilalao any amin’ny ligue 2 indray, araka izany, ity irakiraka afovoany malagasy ity ho amin’ny taom-pilalaovana manaraka. 26 taona ankehitriny ny tovolahy ary heverina anefa fa mbola tena ao amin’ny tanjany tanteraka no sady namiratra hatrany na tao anatin’ny klioba misy azy na tao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy dia ny Barea izany na dia tsy ampy nijanonany tao amin’izao fifaninanana lehibe indrindra eo amin’ny taranja baolina kitra ao Frantsa izao aza izany fahaizany izany. Hifindra klioba indray ve ny tovolahy sa mbola hijanona ato amin’ity ekipa nofidiany tao aorian’ny nialany tany amin’ny Galaxy Los Angeles tany Etazonia ity? Miandry ny mety ho fizotry ny tsenan’ny baolina kitra manaraka isika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT