Sport

Rayan Raveloson Barea mamiratra indrindra


  • Talata 02 Febroary 2021

Loic Lapoussin, Alexandre Ramalingom, Hakim Abdallah, Hery Bastien ary Rayan Raveloson.

 

 

 

 

Ireo mpilalao Malagasy miisa 5 ireo amin’izao fotoana izao no heverin’ireo mpankafy fa tsikaritra ho mamiratra amin’ny klioba misy azy tsirairay avy. Mpilalao izay samy voaantso nanatevina ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara farany teo avokoa moa izy ireo saingy heverina ho mamiratra indrindra amin’ny rehetra tamin’ity taom-pilalaovana ity kosa ilay irakiraka afovoany, Rayan Raveloson, milalao ao amin’ny Estac Troyes, divizionina faharoa frantsay. Nampidi-baolina teo amin’ny minitra faha 75 nanoloana ny AJ Auxerre indray izy ny sabotsy teo. Ary saika nandray anjara tamin’izany hatrany moa tato ho ato ankoatran’ireo tolotra tsy azo ivalozana nentiny izay mahatonga ny Estac hanafosafo ny Ligue 1 ankehitriny. 24 taona ny lehilahy ankehitriny, mirefy 1,82 metatra ary 73 kg, izany hoe manana hoavy mamiratra tanteraka ary vinavinaina ho voalohany amin’ireo Malagasy hivoatra amina klioba iraisam-pirenena goavana indrindra atsy ho atsy raha tsy sanatria hisy ny fingampingana sy sampona.

J. Mirija

Legende: Miha manana fahamatorana hatrany i Rayan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT