Sport

Ravelojaona Andry La Pie Ampy izay ny fanakorontanana ny rugby Malagasy


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Fifidianana tsy nanaraka ny ara-dalàna iny notontosaina teny Ivandry tamin’ny talata 6 febroary 2018 teo iny ka nahalany an-dRazafimbelo Norbert ho filohan’ny ligin’Analamanga rugby ihany koa, hoy Ravelojaona Andry La Pie filoha am-perinasan’ny ligy.

 

Famotehana  an’ity tontolo ity ireny ary ireo mpitantana taloha efa namotika ihany ireo, toy ny filohan’ny Malagasy Rugby sy ireo filohana seksion’ny rugby Andrefan’Iarivo, Avaradrano ary Atsimondrano. Ambarako amin’ny mpitia rugby rehetra, hoy Andry La Pie, fa tsy misy ligin’Analamanga rugby roa samihafa izany fa 4 taona no nifidianana anay ka vao 2 taona sy tapany izay no lasa. Koa mbola miantso an’ireo seksiona 3 voalaza teo ireo ny tenako hanao tatitry ny zava-bita tokony hataon’izy ireo aty amin’ny ligy fa ho avy tsy ho ela ny fivoriambe hataonay ato amin’ny ligy. Voatery handray fanapahan-kevitra ho azy ireo izahay raha … Mitohy ny fifaninanana ho an’ny Ligin’Analamanga rugby tarihako ary ho an’ireo seksiona miaraka aminay (Antananarivo-Renivohitra sy Vakiniadiana), hoy i Andry La Pie, ary misokatra midanadana ho an’ireo fileovana maniry ny te hilalao aty aminay ny varavarana ka mandray azy ireo an-tanan-droa izahay.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT