Ratchaburi FC

Samy mbola tsy salama i Njiva sy Amada


  • Talata 05 Martsa 2024

1 volana teo izay no tsy afa-nilalao ilay lohalaharana malagasy, 31 taona,

Njiva Rakotoharimalala, noho ny ratra nahazo azy. Mbola tsy tomombana ara-batana hatramin’izao ny lehilahy raha ny fampitam-baovaon’ny klioban’ny baolina kitra ilalaovany, Ratchaburi FC, ao Thailand. Taorian’ny ratra nahazo azy ihany koa, tapa-bolana lasa izay, dia mbola tsy mety tafiditra ao anaty lalao hatramin’izao ilay mpilalao afovoanin’ny kianja, Ibrahim Amada, 34 taona, na dia efa navela hisolo toerana nandritry ny 11 minitra aza ny alahady teo. Tsy nampidirin’ny mpanazatra tanaty lisitry ny mpisolo toerana akory indray anefa ity mpilalao malagasy ity nandritry ny lalao omaly izay nifanandrinan’izy ireo tamin’ny Trat FC. Samy mbola tsy salama i Njiva sy Amada, araka izany, aloha hatreto saingy hirariana na izany na tsy izany ny hiverenan’izy mirahalahy amin’ny heriny indray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT